Naka bahana (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mety mandeha fa misari-damba.
Ka nahatonga ahy hamono azy ao anatin'ny eritreritra.
Ny maso nipy anefa no ela dia indro fa nitabataba.
Ary namoha daholo ireo maty rehetra.
.
Raha noheverina fa ny matory,
No mitondra malaky amin'ny fanadinoana.
Kinanjo tsy izany no zava-nisy,
Fa izy indray no namelona saona!
.
Indrisy fa sary efa ela narehitra,
Fa nanditsoka tampoka ny vovon-davenona.
Moa tsy nanaitra izatsy eritreritra.
Ka nampiarina indray ny fanantenana.
.
Ka ny kalokalo milaza tsy mila,
Dia nivadika siokan'ny mbola mitady.
Ny nikipin'ny maso hoy aho no ela,
Dia indro fa nifoha tao ny fitiavana azy!
.
Ny tsantsantan'ny taom-pahazazana,
Izay noheverina fa efa ela no nandry.
No nofahazin'ny fahatanorana,
Ka namoha ny fitiavana izay efa maty.
.
Na dia efa nesorina tsy ho ao anaty.
Ka nalevina tany ambanin'ny tany.
Kay izany tsy maty ny fitiavana azy,
Fa naka bahana fotsiny ihany!
.
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
824 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103