Paska minitra, (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny mikalo fahatsiarovana,
Ilay fitia izay nozarainy.
Ampy ho ahy ny manantena,
Fa tsy miova ny fitiavany.

Aminy ny fitiavana,
Tsy mba teny mamy fotsiny,
Fa ny aina no omena
Hanavotana ny havany.

Eny tsy mba vola nomena,
Hanavotana antsika.
Izay tiana hahazo fiadanana,
Dia ny ainy no nalatsaka.

Soa mahatsiaro hahay hidera,
Soa tomany hahatsapa tena.
Fa ny aintsika saika hazera,
Narovany, dia ny azy no nesorina.

Dia izaho isika afa-patotra,
Roa arivo taona aty aoriana.
Njao tsaroana ilay minitra,
Nisian'ilay tena fanavotana.

Meteza hanely fideràna,
Ary raha misy fahatsapana
Soraty velona eto ilay anarana.
Dia zarao izao tononkalo izao.

Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
973 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107