Alina (Jeankely Razafimamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alina indray ity ny andro
Efa nidify ilay masoandro
Alina ilay fotoana fahatoriana
Alina , fitadiavana fandriana

Alina ny andro ka alina
Maizim-pito toa lavaka lalina
Alina,alina fialan-tsasatsa
Fanadinoana ireo zava-nanasatra

Alina toa mampitebiteby,
Indraindray aza mandrebireby
Alina ,tsy mba azo hihavanana
Alina ,tsy azo itokisana ho namana

Alina fetran'ny lasa sy ny hoavy
Sarotra levonina toy ny goavy
Alina maro mpankafy sy mpitia
Fanehoam-pitiavan'ny mpifankatia

Alina fandefasan'eritreritra
Ho an'ireo izay tsy afa-miherotra
Alina fisaintsainana ny lasa
Misy ihany koa ireo mbola miasa

Alina,fanalana ny alahelo
Famborahana tsiamabara-telo
Alina,fanadinoana sorisory,
Hamalonana 'reo zava-naha'ory

Alina natao hanomanana ny hoavy
Mivoaka ihany koa ny mpamisavy
Alina fitanisana ireo zava-bita
Fanofisana izay tsy mbola hita

Alina fotoana fialam-boly
Fankan'aina ho an'ireo mpamboly
Alina fanembonana ireo havana
Ireo izay lavitra ka tsy tazana

Alina fanaovana lanonana
Amenoana zay sisa tsy voahomana
Alina eo akaikin'olon-tiana
Toa zary mahagaga sy mahaliana

Alina fandefasana vinany
An'reo tapaka sy namana any ho any
Alina mampahatsiahy reo fiarahana
Sy ny sisa izay nifanarahana.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
2277 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy
Nampiditra : gasyjean
Daty : 10/02/2005 14:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105