Fanantenana (Jeankely Razafimamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
O!ry olona misaina,
Aza mora kivy loatra .
Fa raha mbola samy velon'aina,
Dia mbola afaka mivoatra.

Ny tsy fanananao anio,
Aza atao maha-kivy fo.
Izao ihany no tadidio,
Mbola ho hitanao ny soa.

N'iza n' iza mitomany
ny amin'izao fiainana izao.
Tsy homena tsiny ihany,
Noho ireo raho-mitatao.

Nefa izao no ataovy an-doha
Fa samy zava-boahary
Samy manana ati-doha
Ka minoa ilay nahary

Fa any andro any volana
Ny tsy fanananao androany
Hanananao ny vahaolana
Miandry anao any ho any.

Koa mahereza mahatanjaha
Ary aza mihanahana
Mitsaká mijoroa ho lehilahy
Sikino hatrany ny fanantenana.
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
2078 1
Mpakafy: Arimalala
Hevitra mandeha
Miarantsoa ( 09/02/2005 16:05)
Mahafinaritra ny asa- soratra rehefa entina iderana Ilay Nahary sy entina ankaherezana ny namana !
Raha mbola hisy koa ny farany dia tsy ho foana tsy akory ny fanantenanao !
Mahereza sy mahatanjaha !
jentilisa ( 25/04/2005 14:42)
Mitraka mijoroa ho lehilahy?
Ary raha vehivavy?
jentilisa ( 25/04/2005 14:42)
Mitraka mijoroa ho lehilahy?
Ary raha vehivavy?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy
Nampiditra : gasyjean
Daty : 05/02/2005 19:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161