You are here: home > Vetso

Fetinao anio - Jeankely Razafimamonjy

Azo vakiana?

Fetinao anio
Ry havako tsy foiko
Fetinao anio
ry malalan'ny foko

   ka...

miarahaba anao
Iny lanitra iny
ireo voahary koa
hirahiko
mba hiarahaba anao

     satria...

Fetinao anio
ry havako tsy foiko
Fetinao anio
Ry ilay tsy foiko

Taona vao iray
sy tombon'andro indray
miposaka ho anao
Ary, ho anao

Miarahaba anao
Ny olona mandalo
Miarahaba anao
fa fetinao anio


Fetinao anio
Ry havako tsy foiko
fetinao anio,hoy
ny feon'izato foko

Ho maro andro
ela velona anie!
Izay no faniriana
fa fetinao anio

Fetinao anio
hoy ny peniko
mamboraka amin'ny fo
Ka miarahaba anao

Voninkazo
no an-tanana,
fa tsy mba vola
aman-karena.
Ary ny fo feno:
fifaliana sy
fitiavana no
miarahaba anao.

Fetinao anio
Ry havako tsy foiko
Fetinao anio
Ry ilay mamin'ny foko.

Sokajy : Tsingerin-taona

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy

Nampiditra : gasyjean
Daty : 24/09/2005
Mpamangy : 4423
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Rediredy
Tempon'ny fo
Mila ny tia
Babonao
Hianao irery
Poezia malahelo
Iny fitiavana iny
niandry
nofy ratsy
Ho anao