Fotoana (Jeankely Razafimamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fotoana volamena
Koa aza hariariana foana
Hararaoty sy hajao
Mba ho tsara ny ho anao

Ny fotoana dia mandalo
Mamely toy ny fahavalo
Mifoaka izay anananao
Manazera lava izao

Ny fotoana dia ianao
Sy ireo izay vitanao
Raha lany amin'ny tsara
Dia mirakitra ho tantara

Ny fotoana dia harena
Fifaliana ho an'ny tena
Ny fitsinjarana azy ihany
No ahitanao ny lany

Ny fotoana dia riaka
Mahafaly,mahasariaka
Izy dia eo hatrany
Anjaranao no manontany


Ny fotoana no hoavinao
Hanararaotana izay atao
Miankina amin'izay efa vita
Ny valiny mety ho hita.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1328 1
Mpakafy: Arimalala
Hevitra mandeha
andriary ( 11/04/2005 12:04)
Tsara ny tonokalonao!Ny vazaha dia tsy mandroso foana fa hainy ny miaina @ fotoanany!indrisy fa ny ankamaroan'ny malagasy dia lany fotoana amin'ny zavatra tsy misy dikany firy ka mamoha varavarana amin'ny fahantrana!raha avadika ho vokatra ny fotoana dia avotra isika!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy
Nampiditra : gasyjean
Daty : 09/04/2005 17:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149