Iarivo (Jeankely Razafimamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Analamanga anarana soa
Anarana mambabo fo tokoa
Navelan'ireo razana taloha
Izay iray tsy manam-paharoa

Renivohitra manan-tantara
Tao ny ratsy tao ny tsara
Holovain'ny zanak'amam-para
Ho reharahan'ity Gasikara

Maro mpitia sy mpankahala
lay renivohitra tsy manan-tsahala
Ireo mpanohitra sy mpankahala
Dia mandripaka toy ny valala

Ela ny ela taty aoriana
Nampitondrevaka sy nahaliana
Ireo mpankahala firaisan-kina
Dia niangonan'ny fahoriana

Analamanga no anaran'omena
Anarana iraisan'ny firenena
Ekena amin'ny fo tsy mba terena
Iavian'ny soa ahitana ny harena
--------
Rohy:
1267 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy
Nampiditra : gasyjean
Daty : 13/08/2005 18:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101