Ny ala (Jeankely Razafimamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manan'aina tahaka anao aho
Mihazona ny rivotra ho anao
saingy hitanao fa tsy miteny aho
Dia hararaotinao sy vonoinao
mba miangavy anao re!
Aza dorana ny ala
Izaho koa anie manampy anao
Ny fanaka sy entanao ao an-trano
Dia avy aty amiko ,ho anao
Ao amiko ireo biby tsy mba manan-trano
Mba miangavy anao re !
aza dorana ny ala
Any ny andro sy fotoana
Hampiasanao sy hilanao ahy
Tsy mampaninona ahy raha izany foana
Izay no nahavelona ahy
Mba miangavy anao re!
Aza dorana izahay
Hanenenanao rehefa any aoriana
Ny tsy fitandremana ahy
Ho tany karakaina sy ho kiana
Ny ho anao raha manary ahy
Mba miangavy anao re !
Aza dorana ny ala
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1388 1
Mpakafy: Arimalala
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy
Nampiditra : gasyjean
Daty : 02/04/2005 21:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143