ny fitiavako (Jeankely Razafimamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha vao mandre ilay feonao aho,
Ilay feo manintona ny sofiko,
Dia fitiavana no tsy afaka
ato an-tsaiko.
fitiavana hoy aho!
Averiko eto indray
Ilay namana tena akaiky ahy,
Izy no mpamonjy ahy
fitiavana ve?
rahatsy teo mantsy ianao,
tsy mba teo koa izy
Ay! ilay fitiavana?
Tena tia ahy ny fitiavana
Satria tia azy aho
Dia tiako koa ianao
Sy tian'ny fitiavako
Ahy ilay fitiavana,
nitia anao iny,
Satria tia ahy ianao
Dia tinao koa
ny fitiavako,ary ny fitiavako
tia anao
Noho izany tiako ianao.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1414 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy
Nampiditra : gasyjean
Daty : 28/08/2005 20:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011