Ny nosiko - Jeankely Razafimamonjy
Azo vakiana?
Nosy mamiko sy andrianiko,
Dia ianao ry ilay akaniko.
Nahitako ny hazavana,
Gasikara mahatamana.
Voadidin'onjan-drano
Be fijinja fararano
ranomasina no varavarana
Mankamamy fihavanana.
Tsy mba manan-pahavalo,
Hoe handrava raha mandalo.
Fahafatesana no fetra,
Malagasy iray no tarigetra.
(jb Razafimamonjy)
Sokajy :
Tanindrazana
Hevitra mandeha
sonwin (06/02/2005 20:04:58)
Tsara ny tononkalo. Fa ny nositsika ve tsy manam-pahavalo? oh.betsaka ny fahavalo: ny loza voajanahary, ny fahantrana, ny tsolotra, etc...ary jereo tsara fa ravan'ny fahavalo tanteraka isika ankehitriny. Ny fanafodiny???ilay tonokalonao iray: Miandry anao ny taninao. Mirary soa ho an mpanoratra.
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy
Nampiditra : gasyjeanDaty : 05/02/2005
Mpamangy : 1043
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RediredyTempon'ny fo
Mila ny tia
Babonao
Hianao irery
Poezia malahelo
Iny fitiavana iny
niandry
nofy ratsy
Ho anao