DINIKA MOMBAN'NY FINDAY (razafindratsima ndremahery)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DINIKA MOMBAN'NY FINDAY

Te hitafa ianao Ramarofisera
Maniry ny onina any Mandaniresaka.
Hifanapatapak'ahitra amin'ny ambanilanitra.
Andriamisafidy ny hitoka-monina
Tsy te hifangaro amin'ny Rampifanipaka-an-karona
Ireo sady mifanoroka no mifanebaka.
Fa te iray petsapetsa amin-ndry Ramarofinday
Tsy mifankahita nefa mifamela hafatra.
Tsy mifanatri-maso nefa mifamitra fihavanana.

Indrisy mantsy Ramarofisera
Finday roa mifamaly vao misy dinika
Ry zareo ts'sy resaka raha tsy misy fanjava
Tsy mivolana raha tsy misy vĂ´la
Fa raha ny resaka tsy mety ritra
Ny vola aloa no mikararana
Fa izay tsara adi-hevitra ho lany harena
Koa na mamy aza hono ny teny hifanaovana
Izay tsy miala vola tsy mahaloa-bolana.
Varotra ambaitra no fifanakalo
Koa adalanao miteny irery
Ny teny Anjanamasina nampiasa faladia kiraro
Ny resaka nifanaovany no nahatezitra azy
Fahita teny ny nandihy tsy amin'amponga
Ity lozanao Rabefanesoeso...
Fa raha toa ka nisy ny nihomehy tany vaky
Ny fiainana ety no feno asomparana...

Maro ny te hiradona finday
Saingy...tsy izay bokitra potserina akory dia hamaly resaka.

.......................(mitohy)
RAZAFINDRATSIMA Ndremahery Bordeaux 2006
--------
Rohy:
2097 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : razafindratsima ndremahery
Nampiditra : ibesorongola
Daty : 30/08/2010 18:11
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096