Ny Eto tsy ho Any (razafindratsima ndremahery)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny Eto tsy ho Any
Lasa ambiroa indray ianao androany
Ka tianao hitsangana eo....
Hajoro hivaingana eto ny tontolonao avy any
Ny eto anefa tsy any, fa samy hafa volon-tany
Saingy androany ianao nirifatra... lasana any...
Ary fantatrao ombieny.... fa izany ihany
No nahatonga ilay tomany...
.....
Dia ilay ranomaso hampitsiry ny voa nambolena
Namela marika voasikotra ho zary famaharana
Nampaniry ilay kitron'ilay dilotra hamantarana
Fa tsy avy eto ianao fa avy any...
Indraindray ianao mihivina
sady mimonjomonjo moramora
Rahefa sendra ampatsiahivina
Ilay mandrangidrangitra, manakora
Dia hoy ianao... Fa miangatra ianao ry tany !
Fa maninona àry ny eto no tsy bataina any ?
Dia hoy ianao... Ankasomparana ankaso
Dia ao anaty ranomaso...
No hitsikianao indray
Tsiky reraka, viran-tsaina...

Satria raha ny eto no atao any
Dia ho ahoana indray izany !?
Ilay izay nofikirinao an-tsary...
Tohatohatra... tendrombohitra
Lohasaha... tanimbary
Ny ritsoky ny saha
Ny angolan'ny maraina
Ho dila sy hanjavona...?
Ka ho avy hibahana sy hampangaina ,
Ity tontolonao tia ny miavona....?

Soa fa efa fantatrao fa tsy ho foinao ny any ho bataina mankàty
Ary efa fantatrao koa fa ianao no ilaina any ho kajy, ho riaria...
F'izay no antony nifikirany ho tsiahy.
Nitampify tao am-po tsy nanànany ahiahy.

Ny Mpitsangy Jabo Fevrier 2004
--------
Rohy:
3499 0
Hevitra mandeha
ayle ( 29/10/2007 17:39)
MARINA FA TSY METY HO BATAINA ANY ATY .INJISY MANTSY
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : razafindratsima ndremahery
Nampiditra : Razafy
Daty : 18/10/2005 22:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137