AZA AVELA HO MAINA (Joda Razakasoa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA AVELA HO MAINA...

Notapahana ny elany,
nodorana ho lavenona ny akany nitoerany,
Zaza firy moa?
no maty ray sy reny tamin'ireo nahery fo ?
Malagasy firy
No matimaty fotsiny sy nahare nangirifiry
Nanoratra tantara
Fa mba te hanavotra an'i Nosy gasikara ?
Firy koa
Ireo nikomy te hamerina ny fomba taloha
Fa maty ara-tsaina
ireo malagasy namadika nanary kolontsaina.
Nisy vokany va
f'injao mamofompofona ireo karazan-piti-dra
Niraraka fahiny,
Izay mba nanavotana ny firenena virijiny ?
Ra niraradraraka
nandriaka tany an'ala, namonto tao an-davaka
no mitaky valin-kasa,
mitaky saram-pahafahana notakiana tamin'ny lasa.

Ry mpitondra ankehitriny,
aza avela ho maina ireny tolona fahiny,
Raha tsisy ireny
Handao hadika, holazaina ara-bakiteny.
Teto ve ianao
Afaka nitondra izao firenena izao?
Nogihazana ny tany,
malagasy firy no latsaka tomany
very fihinanana !
Ankehitriny ianao...anivo fiandrianana,
dia mitakosina indray,
Misolelaka mandohalika amin'ny frantsay !
Ry mpitondra ankehitriny,
aza avela ho maina ny tolona fahiny ,
Raha i Gasikara,
Tsy handroso intsony raha jerena ny tantara,
Raha mbola toy izao
No politika hitondranao ny tanindrazanao,
Onena ianao ry taniko,
Indro manoratra ho anao ny soratra tomaniko,
Very Gasikara..

Joda Razakasoa
--------
Rohy:
981 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115