ILAZAO IZY... (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAZAO IZY...

Ilazao izy...
fa misy tamberin'alahelo,
mazàna reko mamelovelo
any anaty foko...
rehefa injay tsaroako,
ilay finamananay taloha
nampifaly izato fo,
nefa izy ireny ankehitriny!
nivadika ho tsiny,
nandraisany ahy ho fahavalo,
eny ! niezaka aho ny nandalo
nandalo teny amin'ny tananany,
saingy...hafa hono ny fahasambarany,
ny marina dia ity...
tsy akory izahay mpifankatia!
fa mpinamanana ihany,
nefa tany am-poko tany,
nisy fitia voatokana ho azy
fitia tsy kovazivazy...
fa fitia tena marina
efa latsaka tanaty lalina,
nefa raha tsy izaho ihany...
meteza ianao ho any,
mba ilaza izato hafatra,
olombelona hono izy hoe...
ka tsy tonga lafatra,
raha namboraka fitia,
fa aza raisina ho fahavalo
lazao azy...
fa fitia niserana nandalo,
ireny fitiavako ireny
ka aza raisina adisoana,
ilazao izy...
fa tiako raha hiverina
tiany hono hoe raha asiana tamberina,
ireny lasanay fahiny
fa mbola tiako ho namana izy iny...

JODA RAZAKASOA 28 DESAMBRA 2016
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1108 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146