MATY ILAY FANAHY (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MATY ILAY FANAHY...

Ry lanitra o! Misokafa...
Vangio am-pitoniana ny varavaram-poko,
foana va ny tafa?
Nifamaliana an-kira novetsoina sy nantsoiko!
MATY ILAY FANAHIKO...
Mandry am-piadanana anaty fasany any,
kanefa tsy sahiko
Ny hamongotra ny razan'izany avelo izany,
ny hiady lavaka...
Ny hangady vovoka sakaizan-drangolahy
sento miavaka
mamoaka feo mangina..."MATY ILAY FANAHY"
Ry lanitra o! misokafa...
Fa ianao ihany no fasana ilevenany,
rano nanasa
Nanakobana ny tongony nampikopaka ny elany
ianao ihany...
Ilay nisintona ny tanany namikirany ny tompony
Italahoako androany !
Fohazo izy hiverina f'eo an'oroko ny fofony,
Mbola tena manitra,
oh! Ry lanitra fasan'ny fanahy nindramiko!!!!
laingo maranitra,
Mafy fanindrona ilay hiondanako sy mamiko,
Kanefa nandao!
Nihintsana mora toa ravina zakarandaha,
Ao anatiko ao...
maneho faharesena fa "MATY ILAY FANAHY"
Fanahim-poezia!
Nitoetra tao am-poko,
Indro,antsoiko...
Miverena,mbola mankafy...


Joda Razakasoa
--------
Rohy:
732 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145