MBOLA HO ANY... (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA HO ANY...

Eritreritra mandalo
hamangy any aminao,
fa mangotraka tsiaro e,
izao tontolo izao,
maniry ny hiara-hitoetra
eo anilan'ny avelo,
fa mantsy tsisy fetra e
ny sento sy alahelo,

tena tiako ho fantarina
ny misiterin'ny fasana,
fa feno zava-dalina
ny andro efa lasana e,
mba lazao e,lazao ahy!
zovy moa ianao?
ry fahafatesana mandrotika fanahy
ka mampihorohoro izao rehetra izao,

he,fanontaniana tsisy valiny
fa ny foko no mangina,
ny endriky ny sarisariny
dia mampitondra fahoriana,
ambarao re ry lanitra!
ny misy ao anatinao,
fa hafahafa hanitra
izao fiainana eto izao,

eritreritra mandalo
mbola te hiantoraka aminao,
feno anao ny tsiaro e
tsy hita izay atao,
fa hay ny olombelona
ho hody vovoka sy tany!
ny eto...ngidy tsy telina
sady...mahakotsa ny tomany

JODA RAZAKASOA
(11 jolay 2017)
--------
Rohy:
862 1
Mpakafy: psaholimalala
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142