MIANDRANDRA TENA FAHAFAHANA - Joda Razakasoa
Azo vakiana?
MIANDRANDRA TENA FAHAFAHANA
Miandrandra tena fahafahana
i Gasikara tanindrazan-tsika,
manantena tolom-panafahana
fa manjary mangatsiaka
ny ady izay efa nisy
kanefa lahy indrisy!
fa voageja tsy hiteny
sy tapenam-bava ombieny
ny malagasy te hitroatra,
mangina ny vahoaka e,
tsy sahy mijoro intsony
fa voatefa hatrany am-pony
ny hoe tany mahantra,
eny...lavitr'Andriamanitra?
Miandrandra tena fahafahana
i Gasikara tanindrazanao,
tena mila fivavahana
fa mahatofoka sy lao
ny zavatra miseho,
indro Gasikara mitoreo e,
O ry vahoaka malagasy!
zovy no tsy hisy vavam-basy?
raha maneho ny fitakiana,
fa ranomasom-pahoriana
no setrin'izany rehetra izany,
miparitadritaka amin'ny tany
ny fatin'ireo mpitolona
vono moka ny olona e,
Koa meteza ry vahoaka
tsy atahotra basy mipoaka!
fa miandrandra tena fahafahana
i Gasikara tanindrazan-tsika,
manantena tolom-panafahana
fa manjary mangatsiaka
ny ady izay efa nisy,
kanefa lahy indrisy!
~~~~~} JODA RAZAKASOA (14 may 2017) 21:43
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Joda Razakasoa

Nampiditra : 03314
Daty : 19/06/2017
Mpamangy : 404
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
HIRINDRINA AO AM-PASANARENESO
IO SORATRA IO
ALEO IZAHO HANGINA
ANJARA EFA NEKENA
NAKATOKO NY VARAVARANKELIKO
RIVO-PAHAFATESANA
AZA AVELA HO MAINA
MATY ILAY FANAHY
Sendra