MISY TAKARIVA (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY TAKARIVA

Misy takariva tsy azonao faritana,
fa mitondra amboaram-pahatsiarovana
dia misy koa...ny fanilon'irony kintana,
no mampatsiahy ny lala-nolalovana

misy takariva mampirotsa-dranomaso,
satria mamelovelo ao anaty ny lasa,
ka mampanembona indray ny setran'ny ankaso,
fa nanjary lasa nofy,ireo zava-nokinasa!

misy takariva...mampiteny irery,
raha toa ianao...sarak'olon-tiana,
ny sisin'ny kamory,mimaona tsy miteny!
fa nilaozanareo tamin'ny ranomasom-pijaliana

misy takariva...mampiaina ilay fanahy,
dia ny aingan'ilay bitsiky ny fo,
fa misy takariva mampiteraka ahiahy,
satrio io takariva io...dia takarivam-pamohizam-po!

JODA RAZAKASOA
--------
Rohy:
Sokajy : embona
915 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152