You are here: home > Vetso

RENESO - Joda Razakasoa


RENESO...

Renesiko an-tsefantsefan'alina
Ny feon'ny fonao mibitsika mora,
Maneho izao fisiantsika izao...

Injao...midoboka ny foko manina,
Fa mikasika azy ny karazan'akora
Mandrafitra ny feon'ny fonao...

Mitepo moramora...isa,roa!!!
Mihiritra ny maso nantsoin'ny torimaso,
Dia "Sambatra aho" no fantatro...

Telo,efatra....horoky ny fo
No tsapa sy hita namparefo ny ankaso,
fa "Sambatra a!", izay aloha no takatro...

fa nampiara-peo ny fontsika roa!
Ny tsikinao no feon-kira lafika
Nameno fiadanana ny lanitra hilalaovana,

Reko izao,"Voninkazo mifoha °"
No hira hanamafy indray ny tafika
Hiaro ny mandan'ny dina nifanaovana...

Fa any ianao...matory sy manofy!!!
mahita ny molotro mivetso tononkalo,
anivom-boninkazo mitenti-maro loko...

Ny foko kosa...hitondra rotsirotsy!!!
Hampatsiahy anao ny fihaonana nandalo,
Renao va ? "Tia anao ny foko"


Joda RAZAKASOA

"Voninkazo mifoha": Hiran'i Nate Tex

Sokajy : Fitiavana, Fitiavana

Hevitra mandeha

katrynah (30/12/2019 11:15:52)

Ouaouh tohizo fa tsareee voninkazo mifoha hiran ny natetex hahatsiarovako bedebe an izay namako ankehitriny zay zan ira zan ono no no natolotry ny olon tiany ho azy fa nisaraka ry zareo

katrynah (07/01/2020 14:25:14)

sad io tononkalo io mints lay tononkalo natolony

03314 (18/02/2020 10:43:21)

Izany? Tsara be mihitsy io hira io

Hametraka hevitra

Midira aloha