RESIN'NY FIAINANA (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RESIN'NY FIAINANA

Resin'ny fiainana leitsy izy a!
kamboty fa velon-dray aman-dreny
kivikivy...
dia mitanisa ombieny ombieny
ireo fiainany taloha
...fa maha vaky fo
ny mahita azy lavo
tsy mba misy manarina
nanantena ny hoavo
fa indrisy fa mivarina
resy izy,matoa mila vonjy
any amin'ialahy
aza hatositosika,
fa efa mianjera
aza haratsiana,
fa efa miezaka ny hotsara
...jereo ny ranomasony
fa mikoriana
manaraka ny tavany
jereo ny fahoriana
fa ahilikilik'ireo havany,
ialahy...sisa no hany nantenainy
...nefa ho'aho indrisy
fa nataon'ialahy toy ny tsy nisy
ireo finamananareo fahiny
raha mety ialahy,avereno eto ankehitriny
mijaly izy sakaiza
tsy fantany hoe lalana mankaiza
iny lalana diaviny iny
...aza atosika leitsy izy a!
aza atao tsindrio fa lavo
fa raha azonao atao
dia raiso ny tanany,ary ny tananao hinjiro
ary dia fikiro
...manko porofoy azy koa
fa ialahy no ilon'
ny finamananareo taloha

JODA RAZAKASOA
--------
Rohy:
Sokajy : Namana - Alahelo - fiainana
1246 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109