RY FOKO...RY FASANA... (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry fasana mangina,
tsy maintsy hioerako,
ity foko vesaram-pahoriana
aminao no tiako ampetrako

fa tsy mbola afa-tsaona,
ity androko androany,
mbola misantatra ny fotoana,
dia ny fetin'ny tomany!

fa tsy mety safosafoina,
toy ny zaza matory,
ny foko niaram-boina,
amin'ny andro mahory

fa tiako ianao ry foko,
mba tsy ho fo vato ihany,
ka tsy ho laitran'ny zoto,
dia ny zoton'ny tomany

fa aza ianao manakatra,
ny hevidalin'ny fiainana,
fa faniriako fatratra,
hoe ianao lany fanaintainana

ry foko...ry foko marary,
ry fasana mangina
rahoviana kay ny jaly?
vao hiofo ho fifaliana?

JODA RAZAKASOA
--------
Rohy:
Sokajy : ALAHELO
990 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101