SAININY FOANA (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAININY FOANA

Feno fahanginana ny sisin'ny kamory fahalehanareo roa,
dia ilay olon-tianao? mazàna mipetraka eny,
makamaka saina,malahelohelo,misento ao am-po!
indraindray izy iny mangina tsy miteny,
fa mahatsiaro anao,

mifandimby eny an-tavany eny,ny tsiky sy tomany!
ny ao anaty diariny? feno soratsoratra!
soratry ny lavo...te handao ny tany!
oram-pahoriana monja sisa no mirotsaka,
satria mbola tiany ianao,

antsom-piverenana no indro mba atolony!
fa mbola mila anao ny fiainany tontolo,
ny hiranareo hatrany no miposak'eo imolony,
ary ny aminy rehetra? hafoiny anao daholo,
nefa tsisy azony atao,

ny sisa mba ataony? mibanjina ny sarinao
dia mandefa fisainana any alavitra any,
ny bitsiky ny fony:mbola tia anao!
saingy aleony mianoka anaty tomany,
eny,hatramin'izao anio izao!

JODA RAZAKASOA
--------
Rohy:
1005 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104