Sendra (Joda Razakasoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SENDRA...

Sendra mba nikaroka
Ireo karazan-diary,
Mitahiry fahatsiarovana
Ny tanako androany...
Dia nanamafy hatoka
Fa ny tany aloha tany?
Ny lala-nolalovana?
Tadidiko eny izany...

Voajeriko tsy nahy
Ny tararasy nifamaliana
Tamin'izany ora izany,
he! Tadidiko ry iky...
Saina,fo,fanahy
no nitambatra mangina
Tany anaty tany,
Nomban-tsikitsiky...

Saingy taty aoriana,
Nandrava ny fotoana,
nanimba ny minitra
Nifandimby teny...
Samy an-dakira
ny fo efa moana,
Oh! Tsiaro sisa
No hatsiarovana ilay "Eny"

Ilay ora-nifanekena,
Ilay"Eny" teo am-bava,
Fahatsiarovana mahafaty
Ireny aty aoriana...
Ny tena fahendrena?
Manangana ny rava
nikoro tao anaty,
Na tiana na tsy tiana...

Fa sendra mba nikaroka
Ireo karazan-kalo
Nolafiana valiha
ny tanako androany,
dia nihevina tampoka...
angamba nahatsiaro?
Ilay nitambarana fitia
Tamin'izany ora izany,

Herin-taona izay...
No naharava ny aminay,
Herin-taona anio,
Nofy a! Etsy tadidio...

JODA RAZAKASOA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
928 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126