TARATASY HO ANAO (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miarahaba anao ry tiako...
haiko ianao salama,intsony aho tsy hanontany!
fa haninkeo maraina,
no naharay taratasy avy any ambanivohitra any,
ity malalanao...
tsy dia salama loatra hono ilay dadako ao e,
ka mila ny tenako ho namana,
ny vola hono tsy misy
fa foana ny teo an-tanana,
ka noho izany...
hizotra hoany ambanivohitra any
rahampitso vao maraina
ity malalanao ity,
sanatria hoe mandositra fitia!
fa mila vonjy ny any aminay,
sady...
malahelo koa hono izay reniko izay e,
ka indro taratasy no ampetrako ho anao,
nefa raha azo atao...
aza malahelo akory,
ndrao hampahory ny fonao izany,
telo herinandro aho no any
dia aza mitomany,
ary mbola haveriko eto izao,
fa...
tsy dia salama loatra hono ilay dadako ao,
ka mila ny tenako ho namana,
ny vola hono tsy misy
fa foana ny teo an-tanana,
veloma aky malala!
fa rahampitso vao maraina no hiala
hanainga hoany aminay
ity malalanao ity,
sanatria hoe mandositra fitia!

JODA RAZAKASOA
(06 jolay 2017)
--------
Rohy:
879 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156