TIAKO IANAO KANEFA... (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO IANAO KANEFA...

Tiako ianao kanefa,
misy hery iray mitàna ny ao am-poko,
hatrany mba hitia anao antsokosoko,
tsy mamela ahy hilaza ny fitiavako,
tokoa izy...efa mamatotra ny vavako

Tiako ianao kanefa,
Misy tahotra mangina any anaty foko,
vahotra satria...sao mba hadisoako,
ny milaza sy mamboraka fitia
nefa angamba tsy natao hiaradia?

Tiako ianao kanefa,
misy alahelo izay ateraky ny foko,
mantsy ianao...efa manan-tompo,
ka tsy hanaiky izay fitia atolotro
na diso fiantefa ny teny izay hapokakin'ny molotro,

Tiako ianao kanefa,
misy ranomaso mikoriana manenika ny foko,
satria .... ianao efa hafa loko
ka tsy handray olon-kafa intsony,
manko...efa lapanao ny fony

JODA RAZAKASOA(17 DESAMBRA 2016-AMBATOFOTSY-FIADANANA-AVARADRANO)
--------
Rohy:
1751 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106