You are here: home > Vetso

ENTIN'NY FANAHIKO ... - RF Ravakiniaina

Azo vakiana?

Entin'ny fanahiko aho
Ka manakenda ahy ny teniko
Raha nametra-tsakana aho
Dia mandrangotra ny peniko

Entin'ny fanahiko aho
Ka mibolisatra ny tanako
Raha minia tsy hanondro anao
Izay manapaka ity lalako

Entin'ny fanahiko aho
Ka mifanahin-jaza bodo
Tsy mazaka izato jerinao
Izay toa tadio mampisafoto .

Entin'ny fanahiko aho
Ka nandrongatra sy domelina
Raha nifaoka ity salovanao
Dia namboraka ilay nafenina .

RF Ravakiniaina

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : RF Ravakiniaina


Nampiditra : RF_Ravakiniaina
Daty : 15/08/2019
Mpamangy : 174
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

RAHA METY
AINGA
NENY
FIKOMIANA
TETO
AOKA IHANY
VETSO