You are here: home > Vetso

DADA TSARA INDRINDRA - RFE Andria

Azo vakiana?

DADA TSARA INDRINDRA

Dada a !
Saika nataoko ny hangina tsy hanokatra ny molotro
Satria aho tsy manam-bola na fanomezana hatolotra
Ka sao dia mamendrofendro ary mampangenahena
Amin’ity andro fetinao ka mba menatra ny tena

Dada a!
Na tsy lafatra aza ianao fa mba nety ho solafaka
Ny fomba fitaizanao no nanarina ahy ho afaka
Eny, izaho no toy izao dia ianao tsy kivy fa nikiry
Niaritra ny fihafiana, nivongika hirifiry

Dada a!
Na babena aza ity toa tsy ho voavaliko akory
Sanatria tsy te hanao na valinteny boribory
Fa tany mena tsy mirehitra, ny fiainana efa sarotra
Toa tsentsina avokoa izay mety ho lalam-barotra

Dada a!
Aleoko ny ato am-po no hoborahiko etoana
Voarakitro an-takelaka arahim-bavaka am-pinoana
Tsy asolo n’iza n’iza: ianao no Dada tsara indrindra
Ny fitiavako anao, tokana tsy haiko afindra!

RFE Andria – 21/06/2015

Sokajy : Fety, Tsingerin-taona

Mombamomba

Mpanoratra : RFE Andria

Nampiditra : Arofanina
Daty : 21/06/2015
Mpamangy : 1277
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

NOFIKO, HONO...
AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA