You are here: home > Vetso

FETIM-PIRENENA - RFE Andria

Azo vakiana?

FETIM-PIRENENA

Fetim-pirenena?
Mahonena,
toa mandatsa koa ny tenan'
ny vahoaka malagasy
mangasihasy,
fa toa fety an-taratasy
am-bava basy
no tena mba anjarany
tsy hita farany...
Ny sakafo
vidiana lafo,
tsy takatry ny kely vola,
efa mamaky loha sola,
ka fety aho hoe fety!
sa ho an'ny manana ny mety
izay manao ampihi-mamba
ny harenantsika angamba?
Fa ny valalabemandry
sasa-miandry,
fahanan-dalitra mazàna,
dia igagana
fa mifitsaka,
voahitsaka...

Tsy sanatria manao zinona
mihevitra ho tsinontsinona
ny fetinao aho ry Gasikara
mitaky ny mangarahara:
"moa tena fety ve
ny an'ny Gasy marobe?"

Mahavaka ny saina...!
Sa izaho no be lazaina?

RFE Andria - 16/06/2016

Mombamomba

Mpanoratra : RFE Andria

Nampiditra : arofanina
Daty : 16/06/2016
Mpamangy : 1012
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

NOFIKO, HONO...
AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA