FETIN'NY RENY ? (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FETIN’NY RENY ?

Mama !
Mama no fiantsonay anao fony fahavelonao
Ary mbola izany hatrany, hatramin’izay hatramin’izao
Fahatsiarovan-kely ihany no tavela anatiko ao
Satria mbola zaza aho raha lasa ianao nandao

Mama !
Tamin’izany dia tsaroako rehefa tonga ity fety
Ny tokantrano rehetra dia manao metimety
Afa-tsy ny anay kamboty mainka mipitrapitra
Tsy mba nanan-kihantana, toa zaza naditra

Mama !
Tany an-tsekoly ary koa tany am-piangonana
Rehefa fety toy izao, izahay eo an-tokonana
Tsy nahitan-teny firy, nijoro sy nangenahena
Fenofeno raha ny fo, nalahelo, nahonena

Mama !
Ny fanomezana voavoatra toy ny an’ny ankizy hafa
Ny anay natolotra an’i Dada izay niezaka namafa
Ny holatra sy fery nataon’ny fahakambotiana
Tena nataon’i Dada ny nanananay fifaliana

Mama !
Ho tsiniko ve raha any amin’i Dada no mirona
Ny tsiahiko rehefa injay ity fetinao mandona
Izy izay niezaka ny sady ho Dada no ho Mama
Mba hanananay fanahy sy saina, fo salama?

RFE Andria – 30/05/2015
--------
Rohy:
3031 1
Mpakafy: Tatil
Hevitra mandeha
endrika01 ( 02/06/2015 10:12)
Mahereza hatrany!tsara lay ventso!
Arofanina ( 05/06/2015 06:55)
Misaotra indrindra nampahery !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 30/05/2015 17:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148