MILA ANAO (RFE Andria)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MILA ANAO

Toy ny tanihay sy ngazana
na dia taom-piotazana
dia mangetana sy maina
ka mahatonga ahy hitaraina
ny fiainako ry Ray
toa anjakan'ny antsonjay
Mila Anao hanasitrana
handrary ary koa hamitrana
ny rovidrovitry ny fiainako
hanony ny fitaintainako...

RFE Andria - 17/09/2016
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/rfe-andria/mila-anao
Sokajy : Vavaka
1138 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 17/09/2016 18:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2026