MISAOTRA RAY - RFE Andria
Azo vakiana?
MISAOTRA RAY !
Nisamboaravoara ery ny fiainanay aninkeheo
Saika nampangaihay sy nahavelona toreo
Nefa kosa re ry Ray, soa hatrany Ianao fa teo
Niteny tamim-peo tony : “ny FITIAVAKO jereo!”
Ilay sandrinao mahery no natsotranao hitantana
Ny fidiranao an-tsehatra , tena tsapanay mivantana
Hoy Ianao: “fa ny zanako, dia ho adidiko hatrany
Tsy avelako hitaraina fa hotrotroiko tsy hitomany…”
Ny tonom-bavaka nataoko dia tohizako etoana
Hotononiko am-panahy sady harahiko finoana:
« Ny fiainan-janakao, aza avela hangorintsina
F’Ianao efa nilaza, fa izy mihoatra noho ny tsintsina »
Na dia eo ireo mpitsabo dia Ianao no manasitrana
Ny fiaina-saiky rovitra dia Ianao no mampivitrana
Koa tsy haiko ny hangina, fa teny tokana dia izay
Mipololotra avy ao anaty: “O! Misaotra Anao ry Ray!”
RFE Andria – 22/05/14
Mombamomba
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : ArofaninaDaty : 07/02/2015
Mpamangy : 1442
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NOFIKO, HONO...AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA