TONOM-BAVAKA HO AN’NY RENY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONOM-BAVAKA HO AN’NY RENY

Andriamanitra ô !
Misaotra Anao izahay nanome anay an’i Neny
Mitsinjo sy mitantana ny dianay ombieny
Fanomezan-tsarobidy ka tsy takatry ny saina
Ho anay mantsy izy no toy ny loharanon’aina

Andriamanitra ô !
Noho izany no anandratana Aminao etoana
Ity tonom-bavaka atao sy arahina finoana
Fantatray fa Ianao hamaly vavaka avy hatrany
Ka hanao izay mahasoa azy indrindra amin’izany

Andriamanitra ô !
Mba omeo an’i Neny hasambaran-tsesilany
Hafaliana, haravoana, fiaina-lavitra tomany
Tokantrano anjakan’ny fitiavana hatrany
Tokantrano izay ho toy ny paradisa an-tany

Andriamanitra ô !
Omeo azy ihany koa ny hery sy fahasalamana
Ny vitrika sy tanjaka tsy mba hanam-piafarana
Ara-batana, ara-tsaina, ara-pihetseham-po
Omeo azy am-peno fatra tsy manam-paharoa

Andriamanitra ô !
Tsy adinonay ny farany fa tsy ny kely indrindra
Ny fitaovana ho entiny ihany koa mandrindra
Omeo azy miavosa be dia be ny fahendrena
Ary koa raha azo atao, omeo azy ny harena

AMENA!

RFE Andria – 31/05/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fety
5117 2
Hevitra mandeha
endrika01 ( 02/06/2015 10:14)
Mahafinaritra ilay tonom-bavaka é!tsara be lay ventso!
Sambatra be Neninao nahazo an'io an!
Arofanina ( 05/06/2015 06:53)
Misaotra nankafy e !
djrindra ( 29/05/2016 04:33)
Ilaina @ zao fetin'ny Reny 2016 izao ty. merçi.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 31/05/2015 05:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118