Ny fiainantsika ety! (rfjo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fiainantsika ety, ety an-Tany,
Mihamaloka mihamaizina hatrany.
'Lay rivotra nitsoka hatrizay,
Manditsoka toa mivaivay.

Ny làlantsika ety toa tery hatrany,
Mivilivily tsy hita fihafarany,
Fa toa mivezivezy any ho any,
Mahalasa saina sy fanahy.

Ny fanantenana toa lasa nakany....
Ilay tsikitsiky nanjary tomany.
'Meo hazavana mitalaho zahay ry Ray
Ny fiainantsika ety rako-javona tsy hay.
--------
Rohy:
1230 0
Hevitra mandeha
rfjo ( 07/06/2007 12:57)
Tena mafy tokoa ny fiainantsika ety, ny vola tsy misy, nefa vidin-javatra miha-miakatra hatrany, tokony omena ny Filoham-pirenena ity Tonokalo ity raha izany! hihihi
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : rfjo
Nampiditra : rfjo
Daty : 28/07/2006 05:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096