Namana (atolotra ho an'ny namana rehetra) (R.H.A. Nary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Soa fa nisy penina
afaka mampita ny sarotra tenenina...
Tsy fantatra ho an'iza...
Soa fa nisy ihany
ambina finoana nanosika hanontany...
Fa hanontany an'iza?...
Finoana mitsilopy
miandrandra hery avy amina maso roa mitopy;
hery tsy nananana,
toy ny fihin-tanana
sisa namaharana,
ampy namantarana,
fa raha sendra maloka ny lalan'ny fisiana
dia mety hisy foana ny tara-pifaliana
hanova ny fiainana,
hanony ny fisainana,
hivimbina hamiranana...
Namana!...

Olona mihaino rehefa iresahana
Ka azo amborahana
izay heno mitambesatra mibahana ao am-po
na zavatra manjo.
Olon-tsy mahidy
mahay manondro-bidy
ny fahitanao azy
fa ohatra ny hoe voasazy
tsy hamela anao hanjahana
ka avy dia misahana,
manefa izay ho vitany,
na bitika aza hitany
fa mety ho azo atao
mba hanampiany anao
Kanefa dia tsy miandry ny vavanao hisaotra.

Olona tsy mihoatra
kanefa dia manoatra
noho ireo efa tiana
satria fianakaviana.

Olona manjary voaaraka am-binany
raha sendra ka mandeha an-tany lavitra any
fa miezaka ny hanoratra, na miantso an-tariby,
mba hilazana fotsiny hoe: "mangatsiaka aty!..."
na "mibaliaka ny andro!..."

Olona mitandro,
ny haja anananao
ka miaro tsotra izao,
manoro izay heverin'ny saina sy eritreriny
hoe hampitraka hatrany
ny saina mora tsontsan'ny halaman'ny tany
ka mila fanohanana...
Namana.

Misy tsy maniry ny ho tojo nefa sendra
notandrifian'ny heriny, nataony rendrarendra
ka mionona mandray toy ny efa faraidiny
tsy miezaka hampitombo ny hanin-tsarobidiny.

Fa ianao izay nitady kanefa tsy nahita,
ianao izay nandefa ny vetsonao hiampita,
raha misy mba manoina
ireo olona tsy fantatra kanefa dia nantsoina
dia ifalio sahady
fa mety izay no tady
mitsotra mba hotanana,
hihazonanao ny tsikin'ny volam-penomanana...

Namana!...
--------
Rohy:
Sokajy : Namana - Namana - Namana
5004 3
Hevitra mandeha
Malalason ( 24/06/2005 06:09)
misaotra n'se ry namana de mahefa be
Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : R.H.A. Nary
Nampiditra : xiii
Daty : 15/10/2004 15:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096