RAKITRA (R.H.A. Nary)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Marina letsyfa tena ilaina ny vola sy harena
kanefa tsy mety
raha izy no avela hanandevo ny tena
Ny fiainana an-tany
dia tsy mba ilaozan'ny fakam-panahy
fa toavy hatrany
Ny baikon'ny Masina anatin'ialahy.
Mahaiza mitia
fa ho fatiantoka tsy hita avanavana
raha niaina tety
kanefa tsy nanana raki-pitiavana.
Mitozoa hatrany
amin'ny fanampiana ireo faraidiny
fa indray andro any
ho takatr'ialahy ny hasarobidiny.
Nary Njato
Bovambra 1988
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/rha-nary/rakitra-1
Sokajy :
Fampaherezana