NY TANTARAKO - RHAd
Azo vakiana?
Te hamboraka aminao ny nameno ny tontoloko aho
Tiako ho tsorina aminao reo nandavo ny tomoriko
Saingy
Ny afotroan’ny hirifiriko, tsy mety mba mangina
Fa mankahatr’aman’aina, ny farareomotry ny foko
Dia migorogorona foana, mba hampiferinaina
Mirara-boa ny votoatiko, fa nidarabo-tan-trotrony
‘lay pitik’hafaliana nentiny, ho tsangan-tsiry sy andrareziny
Amin’ny androny mamony
Tonga antaravelona aho volotara iray voaoty
Raozy sarak’aman-taho vetivety dia voahosy
Nataoko mihitsy ny hampangina reo ferim-panaintainako
Notakonako ho dila ny alahelo nirafetako
Mba ho mamy no irehetako sy handoroka ny fiainako
Saingy voaroba ny talentako
Mombamomba
Mpanoratra : RHAd

Nampiditra : rhad
Daty : 24/01/2013
Mpamangy : 1544
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RY MALALA !RESIN'NY TIANA
RAIKI-PITIA
VOADY
Faran'ny Noely
V I T A
ART D'AILLEURS
L’ENTRAVE
SI MON CŒUR
TOUT EST GATE