RY MALALA ! (RHAd)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fantatro fa tsy sitrakao ny hijaly sy hitomany lava izao
Saingy ny tahotro fandrao,
Ho arako ihany anie ‘lay voady
Niombonako aminao, no
Mamihina ny tanako
Tsy handrabak’amin’ny vatako
Ty fahafatesana ity

Fa ory loatra ianao
Nitempo anaty foko
Saingy ny momba antsika, sao
Mbola afak’hifamofo amin’ny androm-pifaliana
No, mamehy ny habibiana tsy
Handaotranao tam-poko
Ho any am-pasan’ny fisiana

Lalaiko mantsy ianao,efa velona ato anatiko
Nefa, ny fahitako anao miory mbetik’isan’andro
Milentik’ora sy segondra , no
Te hamonoako anao ho intsony
Tsy hivarina hiakanjo, volon-tsaonan’ny any Ankoatra
Nefa ry aiko asanao raha lefitrao ny fijaliana, dia
Aleo hefaiko foana lay Dina
--------
Rohy:
2061 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RHAd
Nampiditra : rhad
Daty : 24/01/2013 17:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01