VOADY - RHAd
Azo vakiana?
Ny hasim-pitiavana nifanoloran-tsika
Dia afo nanafana ny voady tsy ho ritra
Ny vao sy ny ela tsy nila fanamperana
Dia raozy tsara faka, mitsimoka mamelana
Novolenao aina ny tontolon’ny fanahiko
Tonga manipofona ny sahan’ny fitiavako
Madera tsara loko ny loharanonao Rahavako
Fa efa nofinidy Enao, natokako, navahako
Endrey ny lasan-tsika niondana fitia
Hitokio ny hoavy sisa fa ho tia Anao aho, tena tia
Ny zanantsika roa indreo mianadahy
Dia vatofehizoro mandanao sy ahy
Na nisy ny ony maro saika handavo antsika
Fahavalo resy ireny fa ny dina tsy mipika
Ny adintsika koa na nisy nampimalo
Tsy nanjera fa namoha fitia tsy mifangaro
Reo Folo taona niampy dimy,
Niombonan-tsika aina
Milonjehitra ankehitriny
Fa tilikambon’ny maraina
Koa averiko eto indray ny voadiko ho anao
R’ilay Nofidiko tanaty ny olo-maro
Na mitombo harena isika na ory sy mitraho
Ho tianao foana aho na iza saro-piaro
Mombamomba
Mpanoratra : RHAd

Nampiditra : Rhad
Daty : 04/12/2012
Mpamangy : 2254
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RY MALALA !NY TANTARAKO
RESIN'NY TIANA
RAIKI-PITIA
Faran'ny Noely
V I T A
ART D'AILLEURS
L’ENTRAVE
SI MON CŒUR
TOUT EST GATE