noelim-piovana (rhary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny andro tiako indrindra eto an-tany
Ny andro fihinana ireo vatomamy.
Ny olon-drehetra dia faly avokoa.
rehfa tonga ny noely ka ravo tokoa.

Andro hahatsiarovana ilay famonjena.
Nahatongavan'ny Tompo tao Betlehema.
Tonga hitady sy hamonjy ny very.
Hanavotra antsika rehetra olom-bery.

Ny olon-drehetra tsy misy havakavaka.
No indro antsoiny hiala ao an-davaka.
Hahita ny hatsaran'ny fiainana ho avy.
Raha manaiky tsara ianao mba ho azy.

Tandremo anefa sao diso lalana.
Ka ny lokon"ny fety no mampialangalana.
Dia lasa misotro migoka sy miloka.
Dia adinonao ny Tompo tao Gologota.

Mazana isika toa miadaladala.
Manamafy sofina ho tsy mahalala.
Manao izay tiana sy danin'ny kibo.
Kanefa ireny no tena mandoto.


Ny andro Noely dia mandalo ihany.
Kanefa miverina foana eto an-tany.
Fa ny tena noely tsara indrindra.
Dia ianao miova fo sy fijery famindra.

Ianao ilay mpanao ny hadalana rehetra.
No manjary filamatra tahafin'ny rehetra.
Ka tandindon'ny Tompo ny fiainanao.
Hotahafin'ny maro satria olom-baovao.


Ny fifaliana ho zaraiko aminao.
Ny Tompo miandry sy miantso anao.
Araraoty ny fotoana izay anananao.
Vohay ny fonao mba ho zanany ianao.
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana - Vavaka
1308 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : rhary
Nampiditra : rhary
Daty : 22/12/2010 12:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133