Omeo hery sy finoana (rhj)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Omeo hery sy finoana aho
Hamafako irony lasa
Sy ireo zavatra kinasa
Nandradraiko hisondrotra avo
Nefa indrisy izao fa lavo

Omeo hery sy finoana aho
Hikoloiko izay tsy main'
ilay afo iray nandrehitra
Nanakila ny habakabako
ny habakabaky ny nofiko

Omeo hery sy finoana aho
Hisondrotako, handatsako
Ny feon'ny nenina masiaka
Manakivy sy mandratra
Ny any mba fanantenako

Fa ilay hany nantenaiko
No nahavita nanadino
Sendra akanga tsara soratra
Ka nanary ahy efa potika,
efa tia , sy rotidrotika

Ka omeo hery sy finoana aho
Hiforonako indray
Amafako ny aminay
Anolorako ny foko ho an'i Tia sy i Mieritreritra,
i Mahatsiaro sy i Mandefitra.


rhj
--------
Rohy:
3382 0
Hevitra mandeha
bichette ( 03/09/2004 07:16)
hery sy finoana ? Atra anolotra anao izany.....
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : rhj
Nampiditra : rbkfoana
Daty : 02/09/2004 16:09
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132