TADIDIO RY MPANAKANTO (RIJADOLLY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TADIDIO RY MPANAKANTO

Tadidio ry mpanankato
Fa ianao no hitarika
Ka aza mba miato
Hanoro ny voasarika

Tadidio ry mpanakanto
Fa ianao no fitaratra
Ka aza mba miato
Mihiry ny vazo feno anatra

Tadidio ry mpanakanto
Fa ianao no hitory
Ka aza mba miato
Ho anay sondrian-tory

Tadidio ry mpanakanto
Fa tsy anao ny fanahy
Ka aza mba miato
Midera ny Ray mba ho sahy

Tadidio ry mpanakanto
Fa ianao no hitsanga-menatra
Raha hanova ny kanto
Ho lasa mahamenatra

Tadidio ry mpanakanto
Fa ianao no hijinja
Ka ny tsara aza haato
Raha izany no harindra

Tadidio ry mpanakato
Fa ianao no hampamirana
Ka tsy hanolotra vato
Ho an’ny ory sy sahirana

Tadidio ry mpanakato
Fa ianao no hampitraka
Ny ory am-po hilantolanto
Ny fo marary mba hitraka

Tadidio ry mpanakato
Fa ianao no hamerina
Ny maha Malagasy ho orimbato
Ka tsy hamela azy hiserana

Tadidio ry mpanakato
Fa ianao no aina aman-jery
Ka hamerina izato
Fomba fahendrena tsy ho very

Tadidio ry mpanakanto
Fa ianao no hanandratra
Ity Nosy ho kanto
Gasikara ho sambatra

Tadidio ry mpanakato
Fa ianao no hankalaza
Ity Nosy miranto
Gasikara manan-daza

Mpanakato noraisinao ho safidy
Mahereza, tanteraho ny adidy
Ka ho hitanao izany setriny
Hanoro olomaro aman’hetsiny

Sanatria ianao no tonga lafatra
Fa anjaranao ny mampita ny hafatra
Hafatra tsara izato entinao
Eny, vetsoy sy ambarao

DOLLY
--------
Rohy:
1357 1
Mpakafy: rijadolly
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RIJADOLLY
Nampiditra : rijadolly
Daty : 03/11/2007 05:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143