TANINDRAZAKO - RIJADOLLY
Azo vakiana?
TANINDRAZAKO
Tanindrazako tsy foiko
Tanindrazako tsy hadinoiko
Nolovaiko tamin'ny Razana
Ka tsy avelako ho ngazana
Tsy omeko ny vahiny
Mba tsy hananako ny tsiny
Toheriko,foanako izany
Tsy hatakaloko harena ny Tany
Raha any an-tany lavitra aho
Sanatria ny hitia vao
Manina Ilay niaviako
Ny taniko no tena tiako
Tadidiko ianareo ry Razana
Niatrika ny ady mazana
Mba hanafaka ity Gasikara
Ho an'ny taranaka amam-para
Ho anay ankehitriny
Aoka ho anay ny tsiny
Raha tsy miasa,tsy sahy
Ho an'Ilay Nosy niosin-dRà
DOLLY
Hevitra mandeha
tsiambaratelo (06/07/2008 13:25:34)
milay be kou,zany mintsy kah
ny an'ny hafa angah
homeny anao,tsy
maintsy manina ny
tanindrazana ny rehetra,afa-tsy zay tsy mponina ao.
rijadolly (11/07/2008 15:46:42)
Misaotra Tsiambaratelo a!Ny hafa aza mitsiriritra ny antsika,dé isika ndray ve no anadino ny Tany nomen'Andriamanitra izay feno ronono sy tantely é!Isika ankehitriny no andrasan'Firenentsika.
Mombamomba
Mpanoratra : RIJADOLLY
Nampiditra : rijadollyDaty : 25/06/2008
Mpamangy : 1816
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TSY IANAO MIHINTSYNY ASAN' NY TANAKO
FANDAHARANAO
NY LAMBA TAFIAKO
RY FANKAM-PANAHIKO
RENY MOMBA
HO AN' I NENY (2)
HO AN' I NENY (1)
NOMENAO
FANDEFERANA