Fahatsiarovana 29 martsa - Rindra
Azo vakiana?
Enimpolo taona lasa izay
Ka tsarovana indray
Izay nanjo ny Malagasy
Niady mafy, sy nihafy
Ho fanavotana ny tanin-
drazantsika tena mamy
Maro ireo namoy ny ainy
Naleony maty ho an'ny taniny
Toy izay velona hijaly
Noho ny kapoka maharary
Sy ny fanjakàzakàna
Nampimalo ny tanàna
Ka ny fahatsapàna izany
Toa tsy hisy fiafaràny
No nanaitra azy hikomy
Niadiany tsy hisy intsony
Fijaliana ho an'ny gasy
Kanjo indrisy nahafaty
Niady ho an'ny Tanindrazana
No nidirany any am-pasana
Ka tsy ho hadinoina akory
Ireo fihetsika mitory
Herim-po izay nananany
Ho tsaroantsika taranany
Fahatsiarovana no sisa
Hany azo asetrintsika
Izany soa rehetra vitany
Ka ny ràny izay nandriaka
No nahalalàna fa :
Niady izy, ho an'ny Nosintsika
Enimpolo taona androany
No nandao ity tany
Gasy maro, nahery fo
Niaro mafy be tokoa
An' i MADAGASIKARA.
Hevitra mandeha
karinah (02/04/2007 20:10:49)
rosin> marina izany! raha tsy nisy an'reny olona ireny nahafoy ny ainy mety mbola tsy firenena "afaka" Madagasikara, rariny mihintsy raha tsaroana izy ireny!!!!!!
sitlo (17/03/2008 14:00:00)
Tsy fahatsiarovana izany sisa no azo atao ka.
Mbola tsy tapitra ny tolona.
Mombamomba
Mpanoratra : Rindra
Nampiditra : rosinDaty : 30/03/2007
Mpamangy : 1330
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tia ahoNy fitiavako anao