You are here: home > Vetso

FASANA - RLDV

Azo vakiana?

Trano maromaro eo an-tampon-kavona
Tsy mba namboamboarina foana
Fa natao hatoriana rahatrizay
Sy hodiana vovoka mandrakizay.

Trano narafitra tamin ny vato daholo
Ka natao iray ny endriny manontolo
Voadidina avero ary bozaka aman ahitra
Izay somary mangina ka manjary mampatahotra.

Trano fitoeran ireo karazam pahoriana
Sady tsy mba nahazoana fifaliana
Fa fitobian ireo ranomason alahelo
Izay manjary fitoerana avelo

Saika ahitana olona iantefam pijaliana
Ka misaraka tsy fidiny amin ny fianakaviana
Noho ny anjara ratsy sy ny fahafatesana
Izay miatraika aminy ka mampitondra faisana.

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : RLDV


Nampiditra : RLDV
Daty : 07/07/2016
Mpamangy : 442
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Ny fitiavana
Nanantena hasambarana Kin
Raha mba hainao mantsy fa
FIALAN-TSASATRA
HADINOY
IZA.........?
Mandalo dia miserana