FIALAN-TSASATRA (RLDV)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tapitra ny taom pianarana
Manomboka ny fialan tsasatra.
Faly mikorana
Ny ankizy avy nianatra.

Handao ity sekoly
Hiova rivotra madio.
Handeha hiala voly
Manomboka anio.

Ho any ambanivohitra
Hilalao eny an tsaha.
Hitety ireo vohitra
Mahamanina,mahate-hizaha.

Hitsidika ireo niandohana
Hamangy fianakaviana.
Hifaly hikorana
Eo anilan ny havan-tiana.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
864 2
Mpakafy: RLDV - R.SON
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RLDV
Nampiditra : RLDV
Daty : 17/11/2016 17:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141