Raha mba hainao mantsy fa (RLDV)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mba hainao mantsy fa
Ontsa ny foko tsy rarahinao
Ontsa ny foko raha ilaozanao
Ontsa ny foko mahita anareo
Ka ilay fitia hifarana hatreo.

Tsy mba tsapanao fa
Mafy ny mitia raha mitempo irery
Mafy ny mitia raha tsisy mijery
Mafy ny mitia olona kanto sady soa
Fa ny fitiavanao mizara ho roa.

Nefa tsy fantatrao fa
Sarotra amiko ny miaina raha tsisy anao
Sarotra amiko ny miaina raha tsy eo anilanao
Sarotra amiko ny miaina raha lavitr'olon tiana
Ity foko mijaly tojom pahoriana.

Tsy tantiko anefa ny mieritreritra fa
Ny fitiavanao tsy ho ahy irery
Ny fitiavanao lasany ka very
Ny fitiavanao no nandratra ahy hatrany
Ka ny foko no zary ontsa tomany.

Ka mandehana rahavako raha tsy tamana
Mandehana fa izaho tsy mba hitana
Mandehana ka aza miherika intsony
Mandehana fa ny foko efa misaona sy tony.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Fitiavana
1406 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RLDV
Nampiditra : RLDV
Daty : 11/01/2017 18:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096