HOENTO HANARAKA ANAO AHO ... (RMA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Io no antsoantso reko farany,mialohan'ny handaozako ity tany!
Ny fianankaviako mifokofoko,tohana ny fo ary ny niafarany teraka ny tomany!
Toa tsiaro avokoa ireo fanao mahazatra niarahana tamiko,
Misy ary moa no nahavatra nitana ny akanjoko...


Toy izany tokoa ve ny fiainana eto an-tany?
Toa mandalo sy miserana tsy mba maharitra izany ,
Vetivety foana dia dify ilay masoandro tery atsinanana,
Toa nalaky lefy lay hafanana nantenaina ho namana ...


Ilay olo-tiako tsy azo nampiononina fa nigogogogo nanala ny fony!
Androany mantsy ny fotoana farany mba hitoerany eo anilan'ny tiany!
Nifandimby teo ny fanomezan-tsiny ny vintana ,ny anjara ary ny lahatra,
Saingy nony farany nanaiky ihany satria izay no tendri'Andriamanitra!


Ny hany hery ,ho fampiononana ny saina,
Dia nanao fangatahana niharo taraina ,
Ao anaty feo kasoka mila tsy ho re akory
HOENTO MANARAKA ANAO AHO FA ORY DIA ORY!

RMA,30/10/18
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
510 1
Mpakafy: KALITABEMANGISO
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142