O! ry zazavavi-ndrano ! (rmthv)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
O! ry zazavavy dia,
Arovinao ity totozy manirery ao an'ala,
Aza avela hitomany fa safosafoy moramora.

O! ry tovovavy jefy,
Mba ampianaro izy hahay hitia,
Ny biby tsy mitovy aminy.

O! ry tovovavy hendry,
Ampianaro koa izy hionona,
Amin'ny biby iray monja.

O! ry zazavavy faly,
Miandry anao izy hamaha ny fatorany,
Fa sao izy ho tezitra ka ho folaka.

O! ry zazavavy ho avy,
Mirary anao tsy hanarona azy,
Fa aleo izy hahazo rivotra

O! ry zazavavi-ndrano,
Toroy lalana ity sambo-kely ity,
Fa mbola tsy nikasi-dranomasina.

"Il était un petit navire qui n'avait jamais navigué,..."

Mon petit navire n'a jamais navigué !!!

Sniff,

Sniff.

Mahafinaritra ery izany tosatosan-dranomasina !

:-)
--------
Rohy:
1300 1
Mpakafy: rmthv
Hevitra mandeha
lianah ( 18/03/2005 17:00)
Ny azoko lazaina anagamba dia izao:tsara fa tohizo.Mino aho fa mbola hitohy ny asa-soratrao.Anjaranao ny manoratra fa anay mpamaky kosa ny misintona ny hevitra fonosiny.Mahereza e.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : rmthv
Nampiditra : rmthv
Daty : 04/03/2005 11:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129