Moa ve ? - R.N.H
Azo vakiana?
Moa ve mba tsapanao
Ireo teny 'zay natao
Teo ambony alitara
Eny, ho Tompoko ianao?
Moa ve mba vitanao
Ireo voady izay nekena
Tamin'ny nandraisanao
Ilay Tompom-pamonjena?
Moa ve navelanao
Ho Mpanjaka ao am-po,
Ilay Tompom-pahefana
Iraky ny Ray Tsitoha?
Moa ve mba arakao
Ireo Teny 'zay lazainy,
Sa ny Alahady ihany
Ny andro hafa, tsy ilainy?
Tsia, diso ianao,
Raha mihevitra hatrany
Fa hoe : am-bava izany
Fa Andriamanitra Tsitoha
Dia tena saro-piaro koa:
Ka ny Teny izay havoaka
No hanaovany am-pamoaka.
Mombamomba
Mpanoratra : R.N.H
Nampiditra : Fifaliana22Daty : 27/01/2009
Mpamangy : 939
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
O ry MalagasyRy Tanora aza avela !