O ry Malagasy (R.N.H)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Madagasikara, Nosy manan-daza
Feno fahantrana, lasa ratsy laza
Nefa anie ny hareny, tsy hita ho lazaina
Tsy tambo hotononina, tsy hay ho tantaraina

Tany lehibe midadasika tokoa
Kanefa tsy volena, avela ho tany lo
Ary izay mba misy, avy dia robana
Tsy te-hikarakara, nefa anie ka olona salama
Maka ny an’ny hafa sy manao bontolo
Na tsy an’ny tenany aza, alainy manontolo

Harena ambanin’ny tany
Vatosoa sy volamena
Malagasy tia asa, fihavanana sy fahendrena
Inona no mihoatra izany?
Nefa re hosehosehana

Mitady ny tsy hita, miandry fahagagana
Maniry ny an’ny hafa, kanefa anie ny eo ambany maso
Sy ny eo am-pelatanana, tsy hay mitantana aza

Ny ady politika, tsy misy fiafarana
Mifamono an-trano, mitondra fizarana
Ka ilay Gasikara, Nosy iray tsy vaky
Tadiavina ho zaraina, tadiavina ho faty

Soa fa mbola tao ilay voa-tsinampy
Nitsiry sy namaka tao am-pon-dRamalagasy
Nampitombo ny finoana, niaritra ny fijaliana
Fa Andriamanitra irery re, no azo itokiana

O! ry vahoaka Malagasy
O! ry mpiray firenena
Tsy azonao an-tsaina ve
Ilay Tompon’ny harena

Raha manaiky Azy hianao
Dia ho velona tokoa
Tsy ny tenanao ihany
Fa ny Malagasy koa

Fa izay rehetra mino
Ka mandray an’I Jeso
No avotra ho an’ny fireneny
Hanasitrana ny efa lo

Atolory Azy re ny aminao rehetra
Vatana sy fo, fanahy ary saina ts’hisy fetra
Fianarana, asa, ankohonana sy firenena
Fa tsy misy izay tsy hainy, avy Aminy ny Famonjena
--------
Rohy:
1299 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : R.N.H
Nampiditra : Fifaliana22
Daty : 27/01/2009 19:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097